AFROBASKET U18

Lavon'ny Ankoay 68-65 ny Gabonais


  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nandresy tamin'ny mokafoy 68-65

an'i Gabon ny Ankoay U18 omaly ho an'ny Vondrona B, andro voalohan'ny AfroBasket U18 andiany faha-25, tanterahana any Côte d'Ivoire ny 5-18 aogositra 2026. Tifi-davitra nataon'i Yvan Hanaffi nahazoana isa telo tao anatin'ny 0,8segaondra farany no nandresentsika. Lalao tena nampitaintaina satria raha nitarika 19-17 isika tao anatin'ny ampahefa-potoana voalohany, dia nitsimbadika 27-37 tao anatin'ny ampahefa-potoana faharoa, isa nentina niala sasatra. Niverina tamin'ny heriny i Madagasikara taorian’ny fialan-tsasatra. Nahavita 24-11 ny Ankoay ka tafaverina nitarika 51-48. Tamin’ny 4e quart-temps, tena nifandanja ny roa tonta, samy nahazo isa 17, ka tonga hatramin’ny segondra farany ny fitaintaintainana, nahazoantsika ny fandresena tao anatin'ny sarotra. Isan'ny nisongadina i A’Ranty Rasetriarivony, ilay meneur n°10 Malagasy. Nahavita 25 points, 5 rebonds, 10 passes décisives ary 4 interceptions, tamin’ny 12/18 aux tirs, ka nahazo "évaluation" 32. Zava-dehibe ny fandresena azontsika ao anatin'ny fifananana kaontinantaly lehibe tahaka izao, taorian'ny fahombiazana lehibe tao anatin'ny Zone 6. Iray vondrona amintsika i Gabon, Maroc ary Mali, ka ry zareo Maraokanina indray no hifandona amin'ny Ankoay rahampitso 7 aogositra. Tsiahivina fa efa tompondaka lefitra taty Afrika ho an'ny sokajy U19 isika ny 2022, nahafahana niatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany U-19 ny 2023. Irariana mba hanoratra tantara indray ireto andiany ireto.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT