Niafara tany amin’ny lah-5 i Madagasikara mpampiantrano tamin’ny Fiba Africa U16 women. Tompondaka kosa i Mali sady nahazo ny tapakilan’ny Mondial U17, 2016.
I Mali no voahosotra ho tompondakan’i Afrika sokajy U16 zazavavy andiany fah-4. Voatazony araka izany ny anaram-boninahitra ary norombahany ihany koa ny tapakila hisoloany tena ny kaontinanta afrikana amin’ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany U17 hatao amin’ny taona 2016. Resin’i Mali tamin’ny isa mazava 57-46 tamin’ny lalao famaranana omaly tesy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena i Nizeria .Nitaraika mazava hatrany ny malianina nandritra ireo ampahefa-potoana rehetra (15-6, 31-17, 44-28, 57-46). Na dia resy tamin’ny famaranana aza moa i Nizeria dia izy no ekipa afrikana fah-2 hiatrika ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany U17. Lah-3 kosa i Angola rehefa nampiondrika an’i Mozambika tamin’ny isa 52-48. Lah-5 kosa isika Malagasy mpampiantrano rehefa nandavo an’i Maraoka (58-46) ny sabotsy teo tamin’ny fiadian-toerana ary mbola nampiondrika an’i Tonizia tompondaka lefitra tamin’ny isa 64-57 omaly hariva. Mbola sahala 25-25 ny isa hatreo ampialantsasatra ary nitarika 46-35 avy eo ny malagasy tamin’ny faran’ny fidirana fah-3.
“Ny herin-tsain’ireo ankizy mihitsy no hita fa mbola marefo. Any amin’ny ampahefa-potoana fah-3 foana izy ireo vao tena tafiditra tsara anaty lalao. Tetsy ankilany dia izay koa izy ireo vao niatrika fifaninanana iraisam-pirenena nefa hita fa lasa tsindry be ho azy ireo ny mpijery maro be, tsy mbola zatra izany izy ireo” hoy i Hachim mpanazatra taorian’ny lalao farany natrehin’ny malagasy. Nifarana hatreo indray izany iny Afrobasket fah-5 natao teto amintsika iny. Fandresena efatra izany no azotsika malagasy tamin’ireo lalao 6 natrehintsika, i Nizeria sy Angola no nahazo fandresena nanoloana antsika ary resitsika in-2 i Maraoka ankoatra an’ireo magrebianina, dia i Tonizia sy Ejipta. Notokanana ny sabotsy teo koa moa ny foiben’ny federasiona malagasin’ny Baskety eny amin’ny 67ha izay natolotry ny Telma.
Rasanda Serge
Filaharana: 1-Mali, 2-Nizeria, 3-Angola, 4-Mozambika, 5-Madagasikara, 6-Tonizia, 7-Ejipta, 8-Maraoka, 9-Roanda
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.