Nisalotra fandresena faharoa i Madagasikara amin’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sokajy U16 zazavavy.
Velom-bolo sy feno hafaliana ireo mpijery baolina nanatri-maso ny fandresen’ny ekipa malagasy nanoloana ny Faraonan’i Ejipta omaly hariva tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina
. Niditra tamin’ny andro fah-4 moa ny fifanintsanam-bondrona ary nandrombaka fandresena faharoa isika Malagasy taorian’ny efa nanamontsanan’ny ekipa Malagasy an-dry zareo maraokanina. Mbola nitarika tamin’ny isa 35-32 ny Ejipsianina hatreo ampialantsasatra. Nanasahala ny isa ho 41-41 ary nanomboaka nihoatra an’isa kosa ekipan’i Hachim mpanazatra teo amin’ny minitra fah-5 amin’ny fidirana fah-3. Nitarika 52-48 ny Malagasy teo amin’ny faran’ny fizaram-potoana fah-3 ary voatazona hatramin’ny farany io elaenalan’isa io nandritra ny fidirana fah-4 na dia efa nampitaintaina ny maro ihany aza. Isan’ny tena namiratra tamin’ity fihaonana ity i Christia izay nahatafiditra baolina be indrindra, nahatratra 17 nandritra ny lalao.
Afaka…
Mbola hitohy anio ny dingan’ny fifanintsanam-bondrona etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena. Anio rahateo ny andro faha-5 farany sady hamantarana ny fandaharandalaon’ny ampahefa-dalana. Ho fantatra anio hariva izany ny ekipa hifandona amin’i Madagasikara izay lah-2 ao amin’ny vondrona A aorian’i Nizeria, amin’io ampahefa-dalana io. Raha ny filaharana misy antsika malagasy aloha dia afaka ary tsy hifandona amin’i Mali tompon’ny anaram-boninahitra isika amin’io ampahefa-dalana io. Izay lah-3 ao amin’ny vondrona B no hihaona amintsika amin’io ampahefa-dalana io. Andro fialan-tsasatra moa rahampitso alakamisy ary ny zoma no hanaovana ireo lalao ampahefa-dalana.
Rasanda Serge
Vokatra:
Maraoka-Nizeria (26-42)
Angola-Rwanda (81-44)
Madagasikara-Ejipta (70-65)
Mozambika-Tonizia
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.