Sport

Afrobasket U16 zazavavy Iray vondrona i Madagasikara,Maraoka, Ejipta, Zimbaboe ary Nizeria


  • Zoma 10 Jolay 2015

Vita ny antsapaka, mirafitra ireo vondrona roa ary hanomboka rahampitso ny Afrobasket U16 zazavavy. Tontosa omaly hariva teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny antsapaka nandrafetana ireo vondrona amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sokajy U16 zazavavy

 

. Ekipa folo moa no hiatrika ity Afrobasket ity izay nozaraina vondrona roa. I Madagasikara mpampiantrano no lohan’ny vondrona A, tafaraka amin’i Maraoka, Ejipta, Zimbaboe ary Nizeria. Lohan’ny vondrona B kosa  i Mali tompon’anaramboninahitra farany miampy an’i Mozambika, Angola, Roanda ary Tonizia. Anio kosa vao harafitra ny fandaharan-dalao. Rahampitso amin’ny 4 ora tolakandro no hanaovana ny lanonam-panokafana ary aorian’io manomboka amin’ny 5 ora ny lalao fanokafana izay hirotsahan’ny ekipa Malagasy an-tsehatra avy hatrany. Ny alarobia vao hifarana ny fifanintsanana ary hiatrika lalao efatra avy ny ekipa isaky ny vondrona. Hiato kely ny fifaninanana ny alakamisy ary hatao ny zoma ny ampahefa-dalana, ny sabotsy ny manasa-dalana ary ny alahady ny famaranana.

Rasanda Serge

Groupe A :
-Madagascar
-Maroc
-Égypte
-Zimbabwe
-Nigeria

Groupe B :
-Mali
-Mozambique
-Angola
-Rwanda
-Tunisie

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT