Sport

Afrobasket U16 zazavavy Firenena folo no hifaninana, tsy ho avy i Afrika Atsimo


  • Alarobia 08 Jolay 2015

Efa vonona avokoa ny lafiny rehetra handraisana ny Afrobasket U16 zazavavy izay hatao eto Antananarivo ny 11-19 jolay

 

. Efa tafapetraka sy voaloko avokoa ireo gorodona etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kianja mitafon’i Mahamasina. Fantatra omaly fa dia firenena folo no handray anjara sy hiady ny tapakila tokana hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka erantan’io sokajy io amin’ny taona 2016 dia i Madagasikara mpampiantrano, Mali tompon’ny anaram-boninahitra farany, Ejipta, Tonizia, Maraoka, Nizeria, Roanda, Zimbaboe, Mozambika ary Angola. Ny zoma izao no hanaovana ny fivoriana ara-teknika sy ny an-tsapaka fandrafetana ny fandaharan-dalao isam-bondrona etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ny sabotsy 11 jolay no hanaovana ny lanonam-panokafana izay harahin’ny lalao voalohany ho antsika Malagasy. Efa tonga omaly tolakandro ny ekipan’i Tonizia ary ny alina kosa ny an’i Maraoka. Efa ho tonga anio kosa ny ankamaroan’ireo firenena ambiny.

Rasanda Serge


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT