Nanamontsana an’i Maraoka fa lavon’i Nizeria i Madagasikara
Nandavo an’i Maraoka nazava i Madagasikara tamin’ny andro voalohany ary resin’i Nizeria kosa tamin’ny andro fah-2
.
Tsara fanombohana ny ekipa malagasy amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika U16 zazavavy (Fiba Africa U16 Women). Ny sabotsy teo ny lanonam-panokafana nakotrokotroka sady andro voalohan’ny fifanintsanana teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nomontsanin’ny ekipa malagasy ny maraokanina ny sabotsy teo tamin’ny andro voalohany. Efa nitarika 32-12 ny ekipan’i Hachim mpanazatra hatreo am-pialan-tsasatra, 42-21 teo amin’ny faran’ny ampahefa-potoana fah-2 ary nivoaka nandresy malalaka 62-29 tany amin’ny faran’ny fihaonana. Resy tany amin’ny fotoana farany anefa ny ekipa malagasy tamin’ny andro fah-2 ny alahady teo nanoloana an’i Nizeria. Ny nizerianina no nitarika tany am-boalohany, 13-8 teo amin’ny faran’ny fizaram-potoana voalohany ary 28-23 teo am-pialan-tsasatra. Nanomboka nahatohitra ny malagasy taorian’io ary nitarika an’isa mihitsy, 43-40 teo amin’ny faran’ny fe-potoana fah-3. Niady be tokoa ny lalao taty amin’ny ampahefa-potoana fah-4 farany fa hita fa nanary fanafihana natetika isika malagasy. Roa minitra tsy hiravana no nitarika an’isa farany i Madagasikara, 53-52. Tsy niova intsony ny isa ho antsika raha nisesisesy ny baolina tafiditry ny nizerianina izay tafavoaka nandresy tamin’ny isa 60-53. Tsy tonga mihitsy ary nampahafantarina omaly fa tsy handray anjara i Zimbamboe izay iray vondrona amintsika malagasy. Lalao tokana izany sisa no hatrehin’i Madagasikara, hifandonana amin’i Ejipta. Araka izany dia efa tafita amin’ny ampahefa-dalana avokoa ireo ekipa efatra ambiny ao amin’ny vondrona misy an’i Madagasikara fa ny filaharana sisa hiadiana.
Rasanda Serge
Vokatra :
Sabotsy 11 jolay :
Tonizia-Angola (57-68)
Nizeria-Ejipta (54-52)
Madagasikara-Maraoka (62-29)
Mali-Mozambika (77-50)
Alahady 12 jolay :
Tonizia-Mali (53-81)
Madagasikara-Nizeria (53-60)
Roanda-Mozambika (22-96)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.