Sport

Afrobasket U16 women Firenena 12 hiady tapakila tokana


  • Zoma 19 Jona 2015

20 andro sisa dia Raikitra! Hampiantrano ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika fanindimy isika malagasy. Taorian’ireo Afrobasket andiany efatra vita teo aloha dia hotanterahina ny 10-19 jolay eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina indray ny an’ny sokajy U16 zazavavy

. Io fifaninanana kaontinantaly io moa dia hiadiana ny tapakila tokana ka izay tompondaka eo no hisolotena ny kaontinanta afrikana amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’io sokajy io amin’ny taona ho avy 2016 io. Firenena sivy araka ny nambaran’ny komity mpikarakara no efa namaly sy nanamafy ny ho fandraisany anjara. Isan’izany i Mali izay tompon’ny anaramboninahitra farany natao tany Mozambika. Saika goavana avokoa ireo ekipa ho avy eto toa an’i Ejipa, Mozambika, Tonizia, Angola, Maraoka, Roanda, Nizeria ary Afrika atsimo. Mbola andrasana kosa ny fanamafisan’i Zimbaboe ny fandraisany anjara ary mbola hisy ekipa avy amina firenena iray hafa koa hamenoana ny isa ho ekipa 12. Hotanterahina mialoha ny fanombohan’ny fifaninanana moa ny antsapaka handrafetana iroe vondrona. Marihina fa efa naharitra enim-bolana izay ny fanomanantenan’ny ekipa nasionaly malagasy.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT