Sport

Afrobasket Tour Hatomboka eny Andraisoro


  • Alakamisy 11 Jona 2015

Raikitra indray ilay hetsika Afrobasket Tour izay fanentanana mitety tanàna eto an-drenivohitra mialoha ny fandraisantsika Malagasy io fifaninanana kaontinantaly hatao eto Antananarivo amin’ny volana jolay io

 

. Marihina fa fifaninanana baskety lalaovin’olona telo toy ny mahazatra ihany izy io, toy ireo andiany efa nisy tany aloha. Sokajy roa no voakasiky ny fifaninanana dia ny latsaky ny 18 sy ny mihoatra ny 18 taona lehilahy. Ny sabotsy 13 sy alahady 14 jona izao no andro voalohan’ny fifaninanana izay hatao eny amin’ny kianjan’Andraisoro. Eny amin’ny Coliseum Antsonjombe kosa no hanatanterahana ny faran’ny herinandro faharoa ny 20 sy 21 jona ary eny amin’ny tokotanin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny faran’ny herinandro fahatelo ny 27-28 jona. Ny faradoboka dingan’ny famaranana moa dia etsy amin’ny tokotany manoloana ny lapan’ny tanàna Analakely ny 4 jolay. Mandritra io fotoana io dia hisy koa ireo hetsika ara-kolontsaina fanentanana samihafa. Marihina fa toromarika avy amin’ny Fiba maneran-tany mihitsy ny fanapariahana sy fampiroboroboana ity baskety lalaovin’olona telo ity izay manana vina hiampita ranomasina hiatrika fifaninanan’ny faritra fahafito sy ny avoavo kokoa hatrany amin’ny kaontinantaly.


Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT