Sport

Afrobasket tour Fantatra ireo hanao manasa-dalan’ny +18 taona


  • Talata 30 Jona 2015

Ny parking teny amin’ny Colliseum Antsonjombe no nandray ny faran’ny herinandro fah-3 namarana ny dingan’ny fifanintsanan’ny Afrobasket Tour Fifa 33

 tafiditra amin’ny hetsika fanentanana ny fampiantranoantsika malagasy ny Afrobasket U16 zazavavy (10-19 jolay). Ny sabotsy teo dia mbola fifaninanana namoahana ireo ekipa 4 isan-tsokajiny no natao fa ny alahady kosa dia efa niatrika ny dingan’ny famaranana ireo ekipa efatra avy amin’ny sokajy U18 sy +18 nivoaka teny Andraisoro sy ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ary ny teny amin’ny Colliseum. Ny sokajy +18  taona no efa fantatra ireo ekipa efatra nahazo ny tapakilan’ny manasa-dalana hatao eny amin’ny tokotany manoloana ny lapan’ny tanàna Analakely ny sabotsy 4 jolay izao. Tafita hiatrika izany amin’io sokajy io ny TACBB Analamahitsy, ny Dalton, ny Tripolite ary ny Rasta Itasy. Mbola misy lalao roa tafiditra amin’ny fifanintsanana tsy vita kosa ny sokajy U18 zazalahy ary hatao ny sabotsy maraina izao izany.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT