Sport

Afrobasket 3X3 – Africa Cup Qualifiers 2018 Tafita ho any Togo indray ny ekipa lehilahy Malagasy


  • Alatsinainy 30 Jolay 2018

Tafita ho any Togo indray ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny Basket 3 x 3 tarihan-dRandriamampionona Elly rehefa nitana ny laharana faha-2 tao amin’ny Vondrona A nanatanteraka ny “Africa Cup Qualifiers 2018” tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny sabotsy 28 sy omaly alahady 29 jolay 2018.

Nitovy isa i Madagasikara sy Rdc ary Egypte fa samy nandresy in-3 avy ary samy resy in-1 nefa nanatombo teo amin’ny elanelan’ny baolina tafidiny i Egypte nitana ny laharana voalohany ary Rdc kosa no laharana faha-3. I Ouganda no firenena faha-4 tafita ho any Togo eo amin’ny sokajy lehilahy. I Egypte kosa no nahery teo amin’ny sokajy vehivavy rehefa nandresy an’i Rdc 21-14 teo amin’ny famaranana. I Ouganda ihany koa no firenena faha-3 amin’ny sokajy vehivavy tafita ho any Togo rehefa nandresy an’i Madagasikara teo amin’ny fiadian-toerana faha-3. Tsy tafita mankany Togo izany ry Fanja sy Joce ary ireo namany. Nanao pao-droa i Egypte teo amin’ny fibatana ny amboaran’ity Africa Cup Qualifiers  GA 2018 teto Madagasikara ity.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT