Sport

Afrobasket 3 x 3 tany Togo Faha-3 ny ekipam-pirenena Malagasy


  • Alatsinainy 06 Novambra 2017

Resin’i Côte d’Ivoire 21-16 teo amin’ny lalao 1/2-dalan’ny fifaninanana Afrobasket 3 x 3 notontosaina tany Lomé Togo omaly alahady 05 novambra ny ekipa Malagasy nisy an’i Claudio, Ricky,

Fabrice ary Elly, rehefa nandavo an’i Togo mpampiantrano 21-17 teo amin’ny lalao 1/4-dalana, mbola omaly alahady 5 novambra ihany. I Côte d’Ivoire sy Nigeria izay nandresy an’i Egypte 21-14 teo amin’ny 1/2-dalana ilany no nikatroka teo amin’ny lalao famaranana ka lavon’i Nigeria 21-9 i Côte d’Ivoire tamin’izany ka izy no voahosotra ho tompondakan’i  Afrika tamin’ny lalao basket 3 x 3. Fahatelo ny laharana nisy ny ekipa Malagasy tamin’ny ankapobeny rehefa nandavo an’i Egypte 18-17 teo amin’ny lalao fiadian-toerana.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT