Resin’i Côte d’Ivoire 21-16 teo amin’ny lalao 1/2-dalan’ny fifaninanana Afrobasket 3 x 3 notontosaina tany Lomé Togo omaly alahady 05 novambra ny ekipa Malagasy nisy an’i Claudio, Ricky,
Fabrice ary Elly, rehefa nandavo an’i Togo mpampiantrano 21-17 teo amin’ny lalao 1/4-dalana, mbola omaly alahady 5 novambra ihany. I Côte d’Ivoire sy Nigeria izay nandresy an’i Egypte 21-14 teo amin’ny 1/2-dalana ilany no nikatroka teo amin’ny lalao famaranana ka lavon’i Nigeria 21-9 i Côte d’Ivoire tamin’izany ka izy no voahosotra ho tompondakan’i Afrika tamin’ny lalao basket 3 x 3. Fahatelo ny laharana nisy ny ekipa Malagasy tamin’ny ankapobeny rehefa nandavo an’i Egypte 18-17 teo amin’ny lalao fiadian-toerana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.