Afrobasket 2025

Mbola lavitry ny afo ny kitay ho an'ny Ankoay


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

Resy fanintelony indray ny Ankoay tany Le Caire raha nihaona tamin'ny Centrafrique

eo amin'ny fifanintsanana Afrobasket 2025. Mba niadiady ihany aloha ny baolina saingy nandresy 79 noho 72 ry zareo Centrafrique. Ka inona moa izany fa tampina ny daomy ho an'ny Ankoay izay mitana ny laharana farany anatin'ity Vondrona D ity. Ny sabotsy teo mantsy dia nataon'ny Egypte tsy nisotro rano ny Malagasy na dia voatendry ho mpilalao mahay indrindra aza i Tanjona. Niezaka ihany koa i Rija Lahotan saingy rehefa voatazona ny rehetra dia tsy nisy azo natao. Tena mbola mila ezaka goavana vao afaka hieritreritra ho afaka eto Afrika. Ary raha mieritreritra hifanina amin'ny Frantsay na Amerika na ny Slovénie ohatra dia tena mbola tantara be tsy azon'ny saina hieritreretina. Soa fa nisy ny 3x3 izay manavanana ny Malagasy ary tsy mampitsanga-menatra fa raha tsy izany dia asa fotsiny. Ny fanontaniana mipetraka anefa dia ny hoe hatramin'ny oviana no hiantehitra amin'ireo efa-dahy mahazatra toa an'i Elly, Livio, Arnol ary Rick Ley. Mbola tsy vita ny fifanintsanana handeha any amin'ny Lalao Olimpika any Paris fa ny azo antoka dia tsara toerana ihany ny Ankoay. Fa na izany aza mbola tantara hafa koa iny.Ny ao an-tsaina izao dia iny faharesena 97 noho 66 nanoloana ny Egypte iny.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT