Afrobasket 2025

Ho sarotra ny ady ho an’ny Ankoay


  • Alakamisy 22 Febroary 2024

Efa lasa any Le Caire ireo mpilalao basket lehilahy handray

anjara amin'ny fifanintsanana ny Afrobasket 2025. Efa 11 sisa taorian'ny filazana fa tsy afaka ny handray anjara indray i Kiady Razanamahenina izany any Frantsa. Izy izany izao no fanintelony nantsoina tsy tonga satria i Mathias M'Madi sy Lova Andritsarafara dia tsy navelan'ny klioba izay hilalaovany any Etazonia. Ho mafy izany no miandry ny Ankoay satria mety voan'ny Egypte sy Coté d'Ivoire eo amin'ny halavana. Amin'ireo 11 mantsy dia telo ihany no mihoatra ny 2 metatra ny halavana. I Arnol izay mpiangaly ny 3x3 miampy an'i Jerry Rabibisoa, 2m 03, izay avy any Frantsa ary Sitraka Raaharimanantoanina izay milalao ao amin'ny Elan Chalon izay mirefy 2m 06. Ny tena tombony ho an'ny Ankoay dia misy ireo efa zatra niaraka hatramin'ny fahakeliny sady notaizan'ny mpanazatra Jeannot Ravonimbola tany Mahajanga toa an'i Elly Randriamampionona, Livio Ratianarivo ary Faralahy Monja. Na dia i Rija Lahotan izay mitondra ny baolina aza dia efa zatra miaraka amin'ireto mpilalao ireto.I Rija anefa dia milalao any Hyères Toulon saingy voantso foana raha vao resaka Ankoay. Toy izao kosa ireo mpilalao hafa nantsoina : Ravelojaona Tanjona, Rasolomanana Anthony, Rakotonirina Fiary ary Tsilefitra Jino. Toy izao kosa ny fandaharam-potoana any Le Caire, ora malagasy. 23 febroary 5 ora : Ankoay # Côte d'Ivoire 24 febroary 8 ora : Ankoay # Egypta 25 febroary 5 ora : Ankoay # Centrafrique.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT