Afrobasket 2025

Efa vonona ny Ankoay


  • Zoma 05 Janoary 2024

Andro sisa no hisaina dia hiady ny fifaninana voalohany aminlny Afrobasket 2025 ireo Ankoay.

Na dia somary mazava aza ny lalana ho an'ny Malagasy dia efa mivonona sahady ny ekipa tarihin'ny mpanazatra roalahy Jeannot Ravonimbola sy Ndranto Rakotonanahary. Ny 15 ka hatramin'ny 19 janoary np fotoana etsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena. Ary satria mbola karazana sava ranonando ihany ilay izy dia mbola tsy nantsoina daholo ireo mpilalao matihanina. Telo ihany hatreto no voantso dia M'Madi izay milalao ao amin'ny Steward County any Etazonia. Any Frantsa kosa no milalao i Lahontan Rija sy Kiady Razanamahenina. Samy nakana mpilalao efatra avy ny GNBC sy ny COSPN. Avy ao amin'ny Zandary no ahitana an'i Elly, Fabrice, Fiary ary Rick Ley. Livio kosa no mitarika ny Polisy misy an'i Arnol, Marco ary Anthony. Roa no avy ao amin'ny ASCUT dia Faralahy sy Jino raha i Tanjona irery no SBC. Mpilalao efa zatra ady ihany saingy hatreto dia mbola miaraka ao foana ireo mpilalao amin'ny 3x3 nefa mba manana tanjona koa izy ireo dia ny ho tafita any amin'ny Lalao Olimpika any Paris.Any amin'iny firenena hafa anefa dia mizara mazava ireo mpilalao 3x3 sy ny 5x5. Ny antsika anefa dia io manenjika bitro roa io.Atao ahoana moa fa tsy marenina ohatry ny izay tsy te handre.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT