Sport

Afrobasket 2017 CAN U 16 Fantatra ireo 12 lahy voafidy ho atsy Maorisy


  • Alakamisy 13 Jolay 2017

Nambaran’ny federasiona Malagasin’ny taranja basikety baolina notarihan’ny filohany Ramaroson Jean Michel,

 

 tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny talata teo tamin’ny fomba ofisialy  ny anaran’ireo zatovolahy Malagasy andeha hiatrika ny lalao CAN U 16 atsy amin’ny nosy Maorisy ny 13-22 jolay ho avy izao. Tamin’ireo mpilalao niatrika ny fampivondronana farany nataon’ity ekipa nasionaly U 16 Malagasy ity tany Tsiroanomandidy dia 2 no tsy afaka hiaraka amin’ireo namany. Ny iray dia anisan’ireo tsy voafidy fa ny iray kosa izay voatery nampakarana ny mpilalao faha-13 ho anisan’ireo 12 voafidy dia najanona noho izy voaporofon’ny “Contrôle des Ages” natao teny amin’ny Clinique des Soeur eto amintsika fa mihoatra ny 16 taona ny taonany. Raharimanantoanina Sitraka mpilalaon’ny Fandrefiala mirefy 2,02 m no kapiteny hitarika ireto zatovolahy U 16 ho atsy Maorisy ireto. Atoa Randriamandimby Harinirina Jimmy kosa no filohan’ny delegasiona Malagasy izay hotronin’ny mpitantana 1, mpanazatra mirahalahy, dokotera 1 ary mpitsara 1. Omaly alarobia 12 jolay tao Curpipe no nanatanterahana ny fizaram-bondrona ho an’ireo firenena handray anjara dia i Maorisy mpampiantrano, Egipta tompondaka farany, Algeria, Angola, Ghana, Madagasikara, Mali, Roanda, Mozambika ary i Tonizia. Ao amin’ny vondrona B ahitana an’i Egypte sy Rwanda ary Algérie no misy an’i Madagasikara. Ny 2 voalohany amin’ity fifaninanana ity dia hiatrika ny “Championnat du monde” U 17 hatao any Argentina amin’ny 2018.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT