Sport

Afrikanina milalao any Europe nahafaty baolina be indrindra Mitarika i Pierre-Emerick Aubameyang ao amin’ny Arsenal


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Efa zary mahazatra ankehitriny ny manaraka ny filaharan’ireo mpilalao Afrikanina milalao any amin’ny “Championnats européens” (Angleterre, Espagne, Italie, Allemagne ary France).

 

Na dia tsy nahafaty baolina aza ilay Gaboney milalao ao amin’ny ekipan’ny Arsenal Angleterre tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo dia mbola izy ihany aloha no mitarika eo amin’ny filaharana vonjimaika ankehitriny fa efa nahafaty baolina 17 be izao tao anatin’ny lalao 25 nataony. Manaraka azy ao ilay Egypsiana Mohamed Salah sy ilay Senegaley Sadio Mane samy milalao ao amin’ny Liverpool Angleterre avokoa efa nahafaty baolina 15 sy 13 avy (lalao 25). Faha-4 ilay Nizerianina Victor Osimhen milalao ao amin’ny ekipan’i Losc Lille France efa nahafaty baolina 13 ihany koa (lalao 26). Faha-5 ilay Senegaley Habib Diallo milalao ao amin’ny ekipan’ny Fc Metz France efa nahafaty baolina 12 (lalao 26). Faha-6 i M’Baye Niang (Senegaley milalao ao amin’ny Stade Rennais France, baolina 9, lalao 17). Faha -7 i Islam Slimani (Alzerianina milalao ao amin’ny As Monaco France, baolina 9 tao anatin’ny lalao 25). Faha-8 i Andy Delort (Alzerianina milalao ao amin’i Montpellier France, baolina 9 tao anatin’ny lalao 25. Faha-9 i Denis Bouanga (Gaboney milalao ao amin’ny St Etienne France, baolina 9 tao anatin’ny lalao 25 ary faha-10 i Karl Toko-Ekambi (Kameroney milalao ao amin’ny Villareal-OL/Espagne-France, baolina 8 tao anatin’ny lalao 25 natrehany).

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT