Sport

Afrika Atsimo Nijery ary nanohana ny Adema ny filoha Ravalomanana


  • Alatsinainy 21 Martsa 2011


Nandritra ny lalao baolina kitra omaly tany Afrika Atsimo dia tonga nanohana ny solontena malagasy ny filoha Ravalomanana Marc sy ny zanany lahiaivo. Vao nanomboka 22 minitra ity lalao baolina kitra izay nihaonan’ny ekipa malagasy Adema ity sy ny ekipa afrikanina tatsimo Bidvest Wits dia tsy maintsy noravana noho ny orana. Araka ny fantatra avy any an-toerana dia hahemotra anio tolakandro amin’ny telo ora any an-toerana ity lalao ity. Nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko ny roa tonta teo am-panapahana ny lalao. Taorian’izay dia nifampiresaka tamin’ireo mpitantana ny ekipan’ny Adema ny filoha Marc Ravalomanana. Tamin’izany no nilazany fa vonona ny hanampy ireto solontena malagasy ireto ny tenany ao amin’izay mety ho fanampiany amin’ny fandaniana rehetra vokatr’izao fanemorana ny lalao izao. Nitehaka sy nisaotra ny filoha moa ireo solontena malagasy teo am-pandrenesana izany.

 
Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT