Sport

Africa Basket-ball League Vondrona D Ny Smouha EGYPTE sy ny Petro de Luanda ANGOLA no tafita


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Ny ekipan’ny Smouha avy any Egypte sy ny Petro de luanda avy any Angola no ekipa 2 nahazo ny laharana 2 voalohany tao amin’ny vondrona D (Round 16) nilalao tao amin’ny Lapan’ny

 

 

Fanatanjahantena Mahamasina Antananarivo ny 15, 16 ary 17 febroary teo ka tafita hiatrika ny Round 8 amin’ny fifaninanana Africa Basket-ball League 2019. Ny Smouha (EGY) no  voalohany satria nahazo fandresena hatrany tamin’ireo lalao 3 natrehany : Smouha vs Bc Mazembe   (78-65) ;  Smouha vs Cospn (119-50) ;  Smouha vs Petro de Luanda (79-52). Ny  Petro de Luanda (ANG) no faharoa nandresy in-2 resy in-1. Faha-3 ny Bc Mazembe resy in-2 nandresy in-1 ary ny Cospn (MAD) no farany resy hatrany tamin’ireo lalao 3 natrehana   Cospn vs Petro de Luanda (76-99)  ;  Cospn vs Smouha (50-119) ary Cospn vs Bc Mazembe (70-94). Na dia nahery ara-teknika sy tamin’ny halavana sy fahamatorana aza ireto mpilalao Afrikanina 3 ireto  dia azo notoherina  tamin’ny hakingana ihany saingy taitaitra loatra ny mpilalaontsika ka tsy nahatafidi-baolina rehefa nanafika ary tsy nahafaty tifi-davitra maro ihany koa no tsy nahomby teo amin’ny “Lancer franc”. Mila ezaka be ny mpilalao basikety Malagasy mba tsy hanary baolina fahatany sy hianatra hitifitra baolina mandrakariva na “3 pts” na “Lancer franc”, indrindra mba hiezaka handranto lalao iraisam-pirenena atsy Afrika, araka izay tratra.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT