Sport

Africa Basket-ball League Nandresy ny Smouha Sc sy ny Petro Atletico


  • Sabotsy 16 Febroary 2019

Tsy nisy alaharo fa nanomboka avy hatrany omaly zoma 15 febroary 2019 tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fifaninanana Africa Basket League 2019 ho an’ny vondrona D misy

 


an’ny Cospn Madagasikara tompondakan’ny faritra faha-7 aty Afrika. Tafavoaka ho mpandresy tamin’ity andro voalohany ity ny Smouha Sc avy any Egypte nandavo ny Bc Mazembe avy any amin’ny Repoblika demokratikan’i Congo tamin’ny isa 78-65 sy ny Petro Atletico  avy any Angola nandresy ny  Cospn Madagasikara tamin’ny isa 99 – 76. Tsapa ho nisy tombony ny fananana halavana sy ny fahazarana lalao iraisam-pirenena goavana tamin’ireo lalao roa voalohany ireo na dia tsy mbola niaka-tsehatra aza i Hamad, Egypsianina manana halava mirefy 2,23 m. 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT