Sport

Afon'ny Lalaon'ny Nosy Niavaka ny fandraisana…


  • Alarobia 23 Aogositra 2023

Nandalo renivohim-paritany rehetra ny afo olaimpika mialohan'ny ahatongavany eto Antananarivo. Niavaka ny fandraisana anjara an'ireo andrarezin'ny fanantanjahantena.

Raha i Sidonie Fiadanantsoa no nampita izany afo izany voalohana tany Antsiranana ka nanolotra izany ny Filoha Rajoelina dia i Maître Kira kosa no tany Toliara izay nahitana ihany koa an'i Ony Paule Ratsimbazafy ilay mpihazakazaka 200 m sy 100m mifampitohy. Tany Toamasina indray no nahitana an'i Bao Monique ilay kintan'ny baskety vehivavy no sady renin'i Melissa Rambony izay mpilalao volley ao amin'ny ekipam-pirenena. Ireo kintana teo amin'ny fanatanjahantena izany no nampiasaina teto mba ahatonga ny olona hanotrona marobe. Tsy misy mahadiso izany sady fanao eran-tany izany fa rehefa izay ihany dia tokony mba jerena ny momba ireny olona nitondra avo ny voninahitry ny firenenana. Atao toy ireo Bekotro Maro Holatra ihany koa ka mba omena tambin-karana ireo izay tsy miasa. Tsy mba misy toy any Frantsa mantsy ny eto ka rehefa mijanona eny ankianja dia lasa mpanao fandaharana amin'ny televiziona mampiasa ny fahalalan'ny olona azy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT