Sport

Afa-bela i Pays-Bas, montsany i Espagne tompondaka farany Montsan’i Pays-Bas 5 no ho 1 be izao i Espagne tompondaka farany.


  • Sabotsy 14 Jona 2014

Tsy nampino ny maro ny trangan-javatra nefa dia nisy araka ny tenim-bazaha hoe «Incroyable mais vrai». Tsembo-dratsy tao anaty rotsak’orana tany Brezila i Casillas mpiandry harato espaniôla fa nandihizan’i Van Persie sy Robben ny tokotanin’ny 22 m nambenany.

Tsy nahovoka i Cameroun solontena Afrikanina voalohany

Lalao voalohany tsy niady indrindra amin’izao Mondial any Brezila izao fa nampatory ny mpijery baolina tamin’ny fahitalavitra ny lalaon’i Cameroun sy Mexique. Tsy nahovoka ny solontena Afrikanina voalohany amin’ity Mondial andiany faha-20 ity izay notarihan’ilay kalaza Samuel Et’oo. Resy 1 no ho 0 omaly.

 

Telo ireo mpampidi-baolina be indrindra hatreto

Telo mirahalahy ankehitriny ireo mpampidi-baolina be indrindra amin’izao Mondial 2014 any Brezila izao. Nanampy an’i Neymar nampiditra baolina roa ny alakamisy teo i Van Persie sy Robben samy mpilalaon’i Pays-Bas nahatafiditra baolina roa avy omaly.

Fandaharan-dalao anio sabotsy 14 jona :

1:00 maraina : Chilie # Australie
7:00 hariva : Colombie # Grèce
10 :00 alina : Urugay # Costa Rica

Alahady 15 jona :

1 :00 maraina : Côte d’Ivoire # Japon
7 :00 hariva : Suisse # Equateur
11 :00 alina : France # Honduras

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT