Sport

Ady totohondry_Tompondaka nasionaly Miato mandra-pahatapitry ny lalaon’ny nosy


  • Alakamisy 26 Janoary 2023

Miato mandra-pahatapitry ny lalaon’ny nosy aloha ny tompondaka nasionaly 2023 eo amin’ny taranja ady totohondry, hoy ny filohan’ny federasionin’ity taranja ity.

Ianao tsinona, hoy izy, efa manao fampivondronana mialoha dia andeha ny fiadiana tompondaka nasionaly na “championnat” dia ilay “championnat” aiza izany no raisintsika? Ilay tompondaka tamin’ny 2022 ve no ho raisina hanao lalaon’ny nosy sa 2023? Efa norafetina anefa hoe ny tompondaka sy tompondaka lefitra tamin’ny 2022 ary izay fantatry ny mpanazatra fa mendrika no ho fantenana hanao lalaon’ny nosy. Izay mahay no tokony hanao lalaon’ny nosy ary aza adino fa isika no hampiantrano. Ny dikan’izany dia tokony hanana safidy tsara isika ary amin’ny sokajy rehetra. Na ho fenontsika aza ny sokajy miisa 10 tsy olana. Izany anefa tsy manakana ireo faritra te hikarakara fifaninanana. Teto Analamanga izao ny alahady teo nisy. Toamasina koa manao foana. Samy manao ny faritra rehetra. Toy izany ny any Boeny, Atsimo andrefana, Toliara. Mila famondronana in-3 miantoana koa tsinona aty amin’ny ady totohondry vao hita hoe iza no tena mendrika. Miisa 10 ny sokajy ho an’ny zazalahy dia 7 ny zazavavy. Ny resaka lanja izao tsy hananantsika ny maherin’ny 92kg ho an’ny lehilahy. Ho an’ny vehivavy, tsy manana 75kg sy 69kg isika fa mbola an-dalam-pitadiavana. Vokatry ny rivodoza sy fahatapahan’ny lalana dia voatery any amin’ny faraparan’ny volana aprily any vao afaka manao fampivondronana na “regroupement”. Miisa 32 lahy any no ho fantenina amin’io. 1 na 2 isaky ny sokajy no alaina anatin’ireo. Ao koa ireo mpanao ady totohondry iraisampirenena. Misy nanao fiofanana. Misy tsy afaka noho ny asa. Isan’ny antsoina hifanintsana anaty fifampivondronana koa ireny, hoy hatrany ny federasionina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT