Sport

Ady totohondry - Tompondaka nasionaly 2017 Mpilalao 11 no hisolotena an’i Matsiatra Ambony


  • Talata 26 Septambra 2017

Fantatra, araka ny vaovao voaray avy amin’ny filohan’ny ligy any an-toerana,

Razafindrazanaka Pauline fa mpilalao 11 no hisolotena ny ligin’i Matsiatra Ambony eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja ady totohondry Malagasy izay hotontosaina ny  28, 29, 30 septambra sy ny 01 oktobra ho avy izao ao amin’ny kianja mitafon’ny ANS  Ampefiloha Antananarivo. Hisy ny sokajin-danja 49 kg, 52kg, 57kg, 60kg, 64kg kg eo amin’ny sokajy “sénior” amin’izany, sokajin-danja 49kg, 52kg, 56kg, 60kg  ho an’ny sokajy “junior” sokajin-danja 60 kg ho an’ny sokajy vehivavy tokana. Anisan’ireo ho ao anatin’ny delegasiona  izay hanainga any Fianarantsoa rahampitso alarobia 27 septambra  2017 Atoa Rakotoarisoa René mpikambana ao amin’ny FMB, ny mpitsara lalao 2 sy  mpanazatra 2 ihany koa. Hanaraka azy ireo aty afara ny  filohan’ny ligin’i Matsiatra Ambony am-perinasa. Fanambin’ity ligy ity ny handrombaka anaram-boninahitra izay tratra amin’ity fifaninanana ity. Tsy handray anjara amin’ny fifaninanana kosa fa hiandry ny fihaonana amin’ny Seyseloa amin’ny volana oktobra izao ilay kalaza antsoina hoe Tony avy any Matsiatra Ambony.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT