Sport

Ady totohondry sy Komity Olimpika Malagasy Halako bika sy tsy tiako tarehy no misy, hoy i Gégé Bosco


  • Sabotsy 04 Novambra 2017

Nanakoako tamin’ny herinandro lasa teo ny fanambarana navoakan’ny COM na ny Komity Olimpika Malagasy nanao fivoriambe tany Toliara mikasika ny tsy maintsy hanesorana an’Atoa Andriamanampisoa Gégé

Bosco tsy ho filoha lefitra intsony eo anivon’ny federasionan’ny ady totohondry Malagasy. Namaly bontana avy hatrany izany fanambarana lazainy fa tsy marim-pototra navoakan’ity rafitra ity ny lehilahy ka nilaza fa : “tsy misy olona afaka manesotra ahy eo amin’ny toerana tanako ankehitriny eo anivon’ny ady totohondry Malagasy afa-tsy ireo ligim-paritra nametraka ahy tamin’ny alalan’ny fanaovana AG ka tsipahiko marindrano io fanambarana nataon’ny COM io fa tsy misy rafitra avy any ivelany miditra amin’ny raharahan-tokantranon’ny fanatanjahantena Malagasy. Efa hitako ny fampiesonana natao tamin’ny 2014, hoy izy, ka tsy nahafahako nirotsaka ho kandidà hofidiana ho filohan’ny federasion’ny ady totohondry Malagasy tamin’izany  nefa noho ny fitiavako an’ity taranja ity manokana dia nandefitra nanana ny rariny aho na dia efa tsapako aza fa fanaovana halako bika tsy tiako tarehy fotsiny no nahazo ahy hatramin’izao. Marihako fa nahazo vokatra tsara ny ady totohondry Malagasy tamin’ny niverenako indray tao amin’io federasiona io ka nahazoana toerana tsara tany Congo-Brazzaville ary nahazo ny tapakila hitrika ny fiadiana ny ho tompondaka tany Alemana nefa tsy mba nampian’ny COM sy ny minisiteran’ny fanatanjahantena. Be mpikambana mpankahala olona fotsiny ao anivon’ny COM ao”.

Ntsoavina Evariste

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT