Ady totohondry

Nanala baraka ny Malagasy!


  • Alakamisy 31 Aogositra 2023

Tokony esorina tsy hitantana intsony ireo filohan'ny federasiona ratsy vokatra tamin'ity Lalaon'ny Nosy ity.

Voalohany amin'izany ny filohan'ny ady totohondry izay nitondra izany taranja izany any anaty lavaka.Tsy mba misy fifaninanana maro hatrany amin'ny faritany na hatao hitsirihina ireo mahay fotsiny aza fa tonga bontolo zary lasa famonoana olona. 11 amin'ireo 13 nisolo-tena ny Malagasy dia nilavo lefona na KO. Tsy mbola nisy fahavoazana toy izany teo amin'ny ady totohondry malagasy. Vokany dia medaly volamena iray no azon'i Alain Randrianarivony teo amin'ny sokaji-danja 48 kg. Miampy volafotsy iray io vokatra io ary 11 medaly alimo nomena fotsiny ny ankamaroany satria mpilalao telo ireo mpifaninana. Tokony efa nametra-pialana efa ela ity filohan'ny ady totohondry ity satria tsy misy zavatra vitany.Ary olona nameno isa moa no noterena nalahatra ka aiza no tsy toran'ny olona.Ohatry ny nofinofy izay fitantanan'i Harvel an'ity taranja ity tonga hatrany Morondava naka an'i Félice, tany Toamasina niaraka tamin'i Ratavilahy François na tany Toliara nanetsiketsika ny taranja niaraka tamin'i Napetoka. Tsy lazaina intsony ny teto Antananarivo nisy an- dry Maurille mianakavy sy ny COSFAP namoaka an'i Heritovo Rakotomanga.Izao anefa dia tena lavitry ny afo ny kitay nohon'ny tsy fahaiza-mitatana.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT