Sport

Ady totohondry Mijanona amin’ny toerany i Gégé Bosco


  • Alakamisy 01 Febroary 2018

Noraisin’ny talen’ny fanatanjahantena eo anivon’ny minisiteran’ny fanatanjahantena Malagasy nihaona taminy tamin’ny talata 30 janoary ireo filohan’ny ligim-paritry ny ady totohondry miisa 11 rehefa tapitra ny 48 ora niangavian'izy ireo ny Komity Olimpika Malagasy sy ity


  minisitera voalaza teo ity  mba hampiantsoan'izy ireo fivoriambe hahazoana mandray fanapahan-kevitra eo amin’ny disadisa miseho indray amin’ny fitantanana ny federasion’ny ady totohondry Malagasy. Nambaran’ity talen’ny Fanatanjahantena ity ary fa ny ligim-paritra no tompon’ny fanapahan-kevitra farany eo anivon’ny fitantanana ny ady totohondry Malagasy ka noho izany dia mijanona ho filoha lefitr’ity federasiona ity hatreto Atoa Gégé Bosco ary izy ireo irery ihany no afaka mandray fanapahan-kevitra indray amin’izay mety hanesorana azy raha ilaina izany. Nomarihan’ireto ligim-paritry ny ady totohondry Malagasy ireto fa mba niverina niarin-doha indray ity taranja ity tao anatin’izay herintaona mahery kely niverenan’i Gégé Bosco teo amin’ny fitantanana ny ady totohondry izay ary tena nanakoako any ivelany any ny fahaizan’ny mpikatroka Malagasy manao ady totohondry tamin’ireny niatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i  Afrika 2017 tany Congo Brazzaville ireny. Na ireo mpandray anjara rehetra na ireo mpitantana avy amin’ny AIBA tonga nanatrika ny fihaonana dia resy lahatra avokoa amin’izay fahakingan’ny mpikatroka Malagasy izay ka nahatonga ny filohan’ny « Juge Arbitre » ny Boxe aty Afrika nanapa-kevitra ny handefa « Expert » hitarika fanofanana mpitsara ady totohondry Malagasy amin’ity taona 2018 ity.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT