Sport

Ady Totohondry Malagasy Voaray tetsy amin’ny MJS omaly


  • Zoma 09 Aogositra 2019

Noraisin’ny solontenan’ny MJS “minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy” nihaona taminy tetsy Andohananalakely omaly alakamisy 08

 

 

 

aogositra 2019 ireo solontenan’ny ligim-paritry ny taranja ady totohondry Malagasy nahitana ny avy eto Analamanga, V7V, Matsiatra Ambony, Atsinanana ary Amoron’i Mania, noho ny fangatahan’izy ireo hiresadresaka mivantana amin’Atoa minisitra Tinoka Roberto mahakasika ny olana mianjady eo amin’ny fitantanana an’ity taranja sahanin-dry  zareo ity.  Efa ho herinandro izahay no tonga teto an-drenivohitra ka nangataka an’io fihaonana io, hoy izy ireo, ka izao voaray soa aman-tsara izao ka hisaorana ny tompon’andraikitry ny MJS. Noho ny fahasahiranan’Atoa minisitra sy ireo tale eo ambany fiadidiany amin’ny fikarakarana ny atletantsika ho any Maraoka hiatrika ny lalao Afrikanina dia ny solontenany no nandray anay. Vosaresaka tao amin’ny dinika nifanaovana ny amin’ilay antontan-taratasy fitarainana nalefanay mahakasika ny olana mianjady amin’ny ady totohondry Malagasy.  Nahavelom-bolo, hoy izy ireo, fa tsapan’ny tompon’andraikitr’ity minisitera ity sy ireto olona niresaka taminay ireto ny olona mianjady amin’ny ady totohondry Malagasy sady nahita nivantana tany Maorisy koa ny antony tsy nahombiazan’ny mpikatroka ady totohondry Malagasy tany ary diso fanantenana tamin’izany. Antenainay, hoy ihany ireto solontenan’ny ligy ireto, fa aorian’io lalao Afrikanina any Maraoka io dia hisy ny fiantsoan’ny MJS anay ka hamahana  ny olana. Aminay, mbola haverina ihany ny antso amin’ny tokony hanatanterahana amin’izay ny fifidianana ho filoha vaovaon’ny ady tohondry Malagasy hamerenana indray ny lazany hatrizay.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT