Sport

Ady Totohondry Malagasy Tsy mitsahatra mitotongana


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Tsy nahazo ny tapakila handehanana hiatrika ny Lalao Olympika 2020 hatao any Tokyo Japon ny taranja ady totohondry Malagasy.

 

Lavo teo amin’ny dingan’ny fifanintsanana avokoa mantsy ireo solontena Malagasy mianadahy niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sady “Qualification JOI 2020” notontosaina tany Dakar Sénégal nanomboka tamin’ny 20 febroary 2020 lasa teo dia i Marco Jérôme (-52 kg) sy i Fahendrena (-57 kg). Izay rehetra nanontaniana mikasika an’ity tsy fahombiazan’ny boxeur Malagasy ity indray dia nilaza tsy am-pihambahambana avokoa fa ny fanomanan-tena mantamanta sy ny fanapahan-kevitra tampomtampoka noraisin’ireo tompon’andraikitra mitantana ity taranja ity ankehitriny no fositra tamin’ny tsy fahombiazan’izy mianadahy ireo. Lasa alavidavitra mihitsy azan y hevitr’ireo mpitantana fahiny sy mpiangaly an’ity taranja ity nilaza fa efa ela izy ireo no nitaky ny hanaoavana fifidianana hanoloana ny filoha am-perinasa ankehitriny izay mbola mitantana indray ny Task Force mitantana an’ity taranja ity fa efa ela dia ela no tapitra ny fe-potoana hiasana. Mila fandaminana vaovao ny fitantanana an’ity ady totohondry Malagasy ity izay tany amin’ny taona 2008 no nanana solontena tany amin’ny lalao olimpika farany tamin’ny alalan-dRazanadrakoto.

Mihetsika ary ankehitriny ry zareo ao amin’ny Association des entraîneurs de boxe anglaise Malagasy tarihan’ny filohany dia i Me Constantin avy any Toamasina ka hikarakara lalao ady totohondry goavana any Mananjary amin’ny 6-7-8 ary 9 martsa 2020 ho avy izao ka hanana solontena amin’izany fihaonana izany ireo ligin’ny ady totohondry miisa 13 misy eto amintsika afa-tsy ny ligin’Itasy sy ny ligin’i Menabe.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT