Sport

Ady totohondry Malagasy Tsy mahazo mitantana ny federasiona intsony i Hery Mamy


  • Sabotsy 16 Desambra 2017

Tapitra ny 72 ora nomen’ny “Comité exécutif” ny filohan’ny federasion’ny taranja ady totohondry Malagasy hametrahany fialana tsimoramora amin’ny fitantanana ny federasiona.

  Tsy nahitana valiny mazava avy amin’ny tompon’andraikitra anefa koa dia nanapa-kevitra ireo maro an’isa ao amin’ny “Comité exécutif” (niisa 5) fa tsy havela hikasika na inona na inona intsony izy manomboka izao ka miandry ny fanapahan-kevitra farany hataon’ny AG an’ireo ligim-paritra amin’ny janoary 2018 amin’izay tena ho aviny mazava.

Niteny tamin’ny anaran’ireo ligy namany koa Randriamanalison Jean Louis, filohan’ny ligin’ny ady totohondry Analamanga, ny hampisehoan’ny filohan’ny federasiona sy ny minisitera mpiahy ny taratasy nanasazy an’Atoa Gégé Bosco maha be resaka. Izy izay nambarany fa afaka nitarika ny delegasion’ny ady totohondry Malagasy niatrika ny “championnat d’Afrique”  tany Congo Brazzaville tamin’ny volana  jona lasa teo.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT