Sport

Ady totohondry Malagasy Mikendry ny Lalao olympika 2020


  • Talata 05 Septambra 2017

Taranjan’olon-tokana ny ady totohondry ka na atleta iray aza dia efa afaka mandray anjara amina fifaninanana iraisam-pirenena.

Nametraka fanamby ny mpitantana  eo anivon’ny federasion’ny ady totohondry Malagasy tarihin’ny filohany, Rabarisoa Hery Mamy, fa tsy ekena intsony ny tsy hananan’ny ady totohondry eto amintsika atleta hiatrika ny lalao olympika 2020 hotanterahina any Tokyo Japon. Tamin’ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy Mahamasina no nanambaran’ny filohan’ny federasion’ny ady totohondry Malagasy, Rabarisoa Hery Mamy sy ny lefiny, Andriamanampisoa Gégé Bernard, fa tsy mandry andro tsy mandry alina ry zareo mikaroka izay hahasoa ity taranja ity amin’ny fomba rehetra. Nanantintrantitra izy ireo fa miasa hampandroso sy hampivoatra ny taranja ny federasiona tarihiny. Nohamafisiny koa ny hanatanterahana ny fiadiana ny tompondakam-pirenena amin’ny 28 septambra hatramin’ny 1 oktobra 2017 ho avy izao eto Antananarivo. Raha tany Mahajanga no voatondro hanaovana azy tany aloha, noho ny fangatahan’ny maro an’isa avy eny anivon’ny ligy dia hafindra eto Antananarivo. Fifaninanana hahafahana mijery ny haavo teknikan’ny mpikatroka Malagasy io sady hitiliana ny handrafitra ny ekipam-pirenena B, hoy ny filohan’ny federasiona. Amin’ny faran’ny taona, hisy ny ekipa voafantin’ny Ranomasimbe Indianina hifampitady amin’ny ekipam-pirenena Frantsay izay hiatrika fialantsasatra atsy amin’ny Nosy La Réunion ka ny sokajin-danja roa 49 kg  sy ny 52 kg no handraisantsika Malagasy anjara. Efa nandefasana taratasy mikasika an’ity fiadiana ny ho tompondaka nasionaly ity avokoa ireo ligy 11 misy eto amintsika ka asakasak’izay ligy tsy handray anjara, hoy hatrany izy mirahalahy mpitarika ny federasiona. Napetraka ho anjara andraikitr’ireo ligy ny fampahatongavana ny atletany eto Antananarivo fa ny fampiantranoana sy ny sakafo mandritra ny hefarana na hadimiana hijanonana eto kosa dia raisin’izy ireo an-tanana. Izay no mahatonga azy ireo hanao antso avo amin’ireo malalatanana tsara sitrapo mba hanampy, indrindra ny minisitera mpiahy. Hampiakatra hatrany ny lentan’ny taranaja no tanjona. Kendrena koa ny handrakofana ligy manerana ny faritra 22 hatramin’ny taona 2020, hoy ny feo heno tetsy Mahamasina ihany.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT