Sport

Ady totohondry Malagasy Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Hery Mamy sy Gégé Bosco


  • Talata 05 Desambra 2017

Nanambara tamin’ny haino aman-jery tsy miankina iray eto an-drenivohitra ny alahady 3 desambra teo ny filohan’ny federasion’ny ady totohondry Malagasy,

 

 Atoa Rabarisoa Hery Mamy, fa hesorina amin’ny toerana maha filoha lefitr’ity federasiona tantanany ity Atoa Andriamanampisoa Gégé Bosco noho izy voasazin’ny rafitra Iraisam-pirenena AIBA tamin’ny taona 2014. Nanambara ity filoha ity fa fanapahan-kevitra azony raisina sy ny ligy vitsivitsy miaraka aminy izao fanapahan-kevitra izao.  Namaly bontana avy hatrany kosa omaly alatsinainy 4 desambra Atoa Gégé Bosco ka nilaza fa efa tetika niarahan’ity filoha ity nokotrehana niaraka tamin’ny Komity Olimpika Malagasy tahaka ny tamin’ny taona 2014 io ka tsy nahafahany nirotsaka  fidiana ho filohan’ity federasiona ity tamin’izany izao toe-javatra izao ka tsy hanaiky lembenana  intsony ny tenany fa resaka tsy fitiavana azy fotsiny tsotra izao no misy, hoy i Gégé Bosco. Haseho ho hitam-poko hitam-pirenena ny taratasy fanasaziana avy amin’ny AIBA aha misy, hoy izy. Ambarako etoana ihany koa fa ireo ligim-paritra rehetra ihany amin’ny fanaovana AG no tompo-marika amin’ny fanapahan-kevitra atao eo anivon’ity federasion’ny ady totohondry ity, araka ny lalàna mifehy azy fa tsy anjaran’olon-tokana izany. Ireo ligim-paritra misy eo amin’ity taranja ity anefa dia tsy mankasitraka velively ny fanalana ahy satria 2 taona no tsy naha teo amin’ny FMB ahy nefa tsy nisy zava-bitan’ingahy Hery Mamy teo na inona na inona ary milaza fa hanao AG amin’ny vola janoary 2018 hitsidika io.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT