Saika ho isan’andro dia hahenoana fifamaliana amin’ny haino aman-jery hifanaovan’Atoa Rabarisoa Hery Mamy filohan’ny federasion’ny ady totohondry Malagasy sy ny filoha lefiny Andriamanampisoa Gégé Bosco.
Raha nanambara tamin’ny alahady teo ny filoha Hery Mamy fa ny rafitra iraisam-pirenena mihitsy no tsy mamela an’Atoa Gégé Bosco ho ao amin’ny fitantanana ny federasion’ny ady totohondry Malagasy noho ny sazy nomena azy tamin’ny taona 2014 dia izany no antony nandefasany taratasy any amin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena Malagasy sy ny Com amin’ny fanapahankeviny hanala an’ity filoha lefiny ity. Etsy an-kilan’izay kosa, vao omaly Atoa Gégé Bosco tohanan’ireo maro an’isa ao amin’ny komity mpitantana ny taranja ity na ny “Comité executif ny Boxe Malagasy” dia mitaky ny hametrahan’ny filohany Rabarisoa Hery Mamy fialana tsy hitantana ny ady totohondry Malagasy intsony noho izy tsy nahavita na inona na inona tao anatin’izay 3 taona nitantanany samy irery an’ity taranja ity izay. Homena 72 ora izy hanatanterahana izany. Mihalalina, araka izany, ny hantsana manelanelana an’i Hery Mamy sy Gégé Bosco raha lazaina amin’ny fomba tsotra na dia nilokaloka aza izy ireo tamin’ny novambra 2016 izay fotoana niverenan’i Gégé Bosco tao amin’ny FMB indray fa tsy hisy hahasaraka intsony ny fifanohanan’ny mpirahalahy hiara-kanarina indray ny ady totohondry Malagasy rehefa nahazo “certificat de conformité” tamin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena Malagasy indray.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.