Nohamafisin’ny federasion’ny ady totohondry Malagasy tamin’ny alalan’ny filoha lefiny, Atoa Gégé Bosco, omaly teny amin’ny ANS Ampefiloha fa nahemotra amin’ny
17-25 jona ho avy izao ny daty hanatanterahana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2017 hatao any Congo Brazzaville taorian’ny nanaovan’ny federasiona iraisam-pirenena fitsidihana tany an-toerana ny 16-18 mey teo. Fantatra fa ny 15 jona izao no hanainga eto an-tanindrazana hihazo an’ity toerana ity ny delegasiona Malagasy ahitana mpitantana sy teknisianina 3 ary mpilalao 7 mianadahy izay nofidian’ireo mpanazatra avy amin’izy 16 mianadahy nanaraka ny fampivondronana nanomboka ny 7 mey lasa teo. Ireo mpilalao 10 ambiny dia mody any amin’ny ligy niaviany avy aloha saingy mijanona ho ekipa nasionalin’ny Boxe manomboka eto ka hatevenin’ireo ho tompondaka amin’ny “championnat national” hatao any Mahajanga amin’ny 20-30 aogositra 2017. Samy notoloran’Atoa Gégé Bosco “survêtement” tsirairay avy moa na ireo handeha na ireo mijanona ary koa ireo mpanazatra sy mpitantana ao amin’ny federasion’ny ady totohondry. Mampanantena ny hahazo fandresena maro ka hitondra amboara aty an-tanindrazana izahay amin’izao dia izao, hoy ny Dtn Rajosivah Simon, mba hahafahana miatrika ny “Mondial Boxe” hotontosaina any Hamburg Alemaina amin’ny volana novambra izao.
Ireo mpilalao vehivavy 2 samy avy eto Analamanga :
-Andriamiarisoa Miora Tina (- 48 kg)
-Manitra Tsiory Andrée (-60 kg)
Ireo mpilalao lehilahy 7 :
-Analamanga 2 dia Rajaonarison Julio (- 60 kg) sy Andrianinja Nirina Aimé (-56kg),
-Atsinanana 2 dia Andrianarivelo Marco Jerôme (-52kg) sy Mahatonga Cédrick (-64kg)
-Matsiatra Ambony dia i Heriniaina Nomenjanahary Tony (-49kg).
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.