Sport

Ady totohondry Malagasy avy any Congo Nitondra medaly alimo 2 nody


  • Alatsinainy 03 Jolay 2017

Tafaverina an-tanindrazana ny alakamisy 30 jona teo ny delegasiona Malagasin’ny taranja ady totohondry avy niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny “boxe amateur” andiany faha-18 notontosaina tany Congo-Brazaville ny 18 - 25 jona lasa teo.

 Medaly alimo 2 azon’ny mpikatroka mianadahy dia Randria­narivelo Marco Jérôme, mpilalao avy any Atsinanana  sokajin-danja  -52kg izay resin’ny teratany  Algeriana teo amin’ny ankatoky ny famaranana, sy Andriamiarisoa Miora Tiana vehivavy avy eto Analamanga sokajin-danja -48kg izay resin’ny teratany Cameroney teo amin’ny manasa-dalana ihany koa no voan-dalana nentin’izy ireo. Noho ireo medaly azony ireo dia tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin’ity taranja ity izay hotontosaina any Hambourg any Allemagne amin’ny volana aogositra izao ireto mpikatroka Malagasy 2 ireto. Zava-dehibe eo amin’ity taranja ady totohondry Malagasy ity ireo vokatra azo ireo taorian’izay 7 taona tsy nandraisantsika anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena izay, hoy Andriamanampisoa Gégé Bosco nitarika ny delegasiona tany Congo. Nomarihany kosa anefa fa niharana fitsarana tsy dia nazava loatra ny mpilalao Malagasy Marco Jerôme teo amin’ny lalao manasa-dalana natrehany ka nanaovana fitarainana mazava nefa tsy niova intsony ny vokatra azo. Raha ny mikasika an’i Miora Tiana kosa dia hita fa efa zatra ady iraisam-pirenena izy tamin’ny ankapobeny ka tsy nahagaga ny vokatra azony. Marihana moa fa efa tompondakan’i Afrika teo amin’ny taranja kick boxing “full contact” izy tamin’ny taona 2014 ary tompondaka erantany lefitra tamin’io taranja io ihany tany Italia ny taona 2014 sy tany Serbia ny taona 2015. Fantatra tamin’ny fotoana fahatongavan’izy ireo teny Ivato fa hanatanteraka fiofanana any Alemaina herinandro vitsivitsy mialohan’ny  « Mondial boxe 2017 » izy mianadahy ireto. Fantatra ihany koa fa anisan’ireo hisitraka ny vatsim-piofanana olimpika hanomanana ny “Jeux olympiques” hotontosaina any Tokyo any Japon amin’ny taona 2020 miaraka amin’ny mpilalao Nomenjanahary Tony Heriniaina avy any Matsiatra Ambony eo amin’ny sokajin-danja -49kg izy ireo. Mbola nomarihan’ity lehiben’ny delegasiona Malagasy ity fa tsy misy fahamarinany velively ny amin’ny hoe fandraisana tsizarizay nihatra tamin’izy ireo tany Congo ary efa voaloa daholo ny latsakemboka iraisam-pirenena tokony honefaina hatramin’izay ka nahafahan’ireo mpilalao Malagasy niakatra ringa ara-dalàna. Mikasika an’ilay “passeports” voatazona tany amin’ny seranam-piaramanidin’i Congo dia nambarany fa nihatra tamin’ireo delegasiona rehetra tonga tany an-toerana io ka naverin’ireo tompon’andraikitra rehefa avy nandoa ny saran’ny “visa” 50 dolara isan’olona.

Ntsoavina Evariste



 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT