Sport

Ady totohondry – Lalaon’ny Nosy Manomana ny ekipa malagasy ilay frantsay Gerard Bouffet


  • Alarobia 08 Jolay 2015

Mpikatroka valo no mandrafitra ny ekipa malagasy handray anjara amin’ny Lalaon’ny Nosy. Efa niditra tamin’ny fampivondronana fahatelo farany fanomanana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-9 izay hatao any La Réunion (1-9 jolay) ny ekipa malagasy.

 

Etsy amin’ny kianja mitafon’ny ANS Ampefiloha izy ireo no manana fanazarantena ka mandray an-tanana ny fanomanana azy ireo nanomboka ny alatsinainy teo ilay manampahaizana frantsay Gérard Bouffet miaraka amin’ireo teknisianina malagasy tarihin’ny tale teknika nasionaly, Rakotomanga Heritovo sy ireo mpanazatra nasionaly; Ratavilahy François, Ratovolala Claude ary Razanakolona Claude. Mpikatroka valo moa ireo voatazona farany handrafitra ny ekipa hiady any La Réunion dia Rabenarivo Lalaina (-48kg) izay efa zatra sy nandrombaka medaly volamena amin’ity fifaninanana rezionaly ity. Ao koa ry Taombo Richie (-52kg), Rakotomanga Sitraka (-56kg), Marolahy Robuste (-60kg), Rajaonarison Julien (-64kg), Jean Denis Félix (-69kg), Rakotoniaina Haja Heritiana (-78kg), Randriamanantena Rodolphe (-91kg). Ankoatra ireo dia mbola misy mpikatroka dimy hafa koa manaraka ny fampivondronana mba hatao mpifanandrina amin’ny fanazarantena sady hatao fiandry raha sanatria misy maratra ireo mpikatroka ao anaty ekipa nasionaly mandritra izao fanomanantena izao. Hitohy mandrampandeha hiazo an’i La Réunion moa izao fampivondronana miaraka amin’i Gérard Bouffet izao. Ity farany moa dia nivimbina fitaovana samihafa ilaina amin’ny fanazarantena toy aro-tanana, aro-nify, “bande”, “coquille”,…

I Bouffet moa dia mikatroka fahiny, efa mpanazatra nanomboka ny taona 1976 ary efa nahatafita mpikatroka frantsay voahosotra ho tompondaka ernatany nandritra ny enin-taona nisesy, niatrika Lalao olimpika ary nisalotra ny amboaran’ny Universiade any Frantsa. “Hitako tena vonona be tokoa ireto mpikatroka ireto. Ny hakingan’ny totohondry ny fipitipitiky ny tongotra ary ny fanamafisana ny totohondry izao no tena himasoanay amin’izao iray volana latsaka mialoha ny fifaninanana” izao hoy i Bouffet.

“Efa azo antoka ny medaly fa mikiky ny lokony sisa izahay” hoy kosa ny mpanazatra Ratavilahy François.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT