Sport

Ady totohondry hiatrika lalaon’ny nosy Miomana na tsy misy aza ny enti-manana


  • Alakamisy 04 Mey 2023

Am-panomanana tanteraka ny lalaon’ny nosy ho an’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe indianina ankehitriny ny taranja ady totohondry, hoy ny filohan’ny federasionin’ity taranja ity,

Hery Mamy Rabarisoa. 76 mianadahy ny atletantsika miatrika izany ankehitriny, hoy izy. 25 isa no vehivavy fa lehilahy ny ambiny. Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Bongolava, Boeny, Sofia samy voasolotena daholo. Ho avy koa ny avy any Antsiranana. Matsiatra ambony sy Fianarantsoa koa toy izay. Ny alahady 7 mey izao izany efa hisy fifanandrinana ao amin’ny kianjan’i Mahamasina. Ny 14 mey koa hisy ho tahaka ny manasa-dalana satria efa fantatra izany izao fa hisy sokajy miisa 4 hihaona hifanintsana mivantana. Hisy mpitsara sy tekinisianina hanao fifantenana ao. Ny enti-manana dia mbola eo am-pitadiavana ihany izahay ary hiangaviana izay afaka manampy na minisitera io na iza. Isaorana ny minisitera aloha hatramin’izao, amin’ny alalan’ny ANS na Akademiam-pirenena momba ny fanatanjahantena, mandray an-tanana ny fiantranoana. Mbola vola am-paosin’ny filohan’ny federasionina kosa nefa no miala amin’ny resaka sakafo. Ny atleta koa moa tsy dia miady sakafo loatra satria be dia be amin-drizareo no manintsana vatana. Manao aloha izahay izao ialana amin’ilay tampoka be hoe miisa 2 isaky ny sokajy ihany no mandray anjara. Miomana izahay saingy tsy manana enti-manana na fonon-tanana, izany hoe, «gant» hikotranana amin’ny lasaka na «sac» aza. Toy izany koa ny «gant» hanaovana fifaninanana. Efa mba nisy ihany ny tombana na «devis» nomena ny minisitera sy ny komity olaimpika fa dia miandry. Ny ady totohondry anefa hatramin’izay rehefa lalaon’ny nosy 100% foana ny medaly azon’ireo solontena miisa 6 antsika. Tohano re ny ady totohondry fa efa medaly am-paosy foana hatramin’izay, hoy hatrany ny federasionina.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT