Ady totohondry eto Madagasikara

«Tsara ny sokajy vehivavy»


  • Alakamisy 19 Desambra 2024

Tontosa tany Dobay ny 6 sy 7 desambra teo ny kaongresin’ny AFBC na ny kaonfederasionina afrikanin’ny

taranja ady totohondry. Tontosa niaraka tamin’izany koa, hoy ny filohan’ny federasionina malagasin’ity taranja ity, Hery Mamy Rabarisoa, ny an’ny federasionina iraisampirenena na ny IBA. Nasain’izy ireo manokana nandritr’izany moa ny tenako, hoy ity filoha ity, taorian’iny fifidianana vita teto Madagasikara iny. Niaraka voaasa manokana tamiko ny avy atsy Alemanina sy Japon. Io Kaongresy io moa no hamantaran’izao tontolo izao fa misy ady totohondry aty Afrika ary amin’ny alalan’izany koa no ahafahana manazava ny zava-misy amin’ny tontolon’ity taranja ity eto Madagasikara. Amin’io koa no ahafahana mangataka ny hanaovana fifaninanana iraisampirenena aty Madagasikara. Taorian’ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara tamin’ny tompondakan’i Afrika ny volana oktobra teo ka nahazoantsika medaly alimo dia hitan-drizareo fa misy ady totohondry aty ary tsara koa ny ady totohondry vehivavy aty.

Madagasikara irery no manana sokajy vehivavy amin’io taranja io aty amin’ny ranomasimbe indianina. Izany no ilazàna hoe aoka mba hajanona amin’izay ny adiady fa andao hiombom-po hanatsara ilay ady totohondry malagasy! Tanjona ny haha sangany ilay taranja ary izany no hanomezana fiofanana ireo mpandimby. Handeha atsy ho atsy ny fanofanana mpitsara. Hararaotina ny fahatongavan’ny matihanina avy any Kameronina eto. Andeha koa ny atao hoe «Boxe in school» ho an’ny ankizy. Fiaraha-miasa amin’ny namana sy ny vola am-paosin’ny filohan’ny federasionina no nahafahana niatrika ireny fihaonana iraisampirenena ireny nefa tena ilaina sy nahitana izany rehetra izany. Izay no mahatonga anay hatrany hiantso ny fitondram-panjakàna sy ny minisitera hoe mba ampio re! Mafy izany tompondakan’i Afrika izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT