Sport

Ady totohondry - Analamanga Novelomina indray ny klioban’ny VOCOTA


  • Alatsinainy 03 Septambra 2018

Nosokafana ofisialy tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina indray ny klioban’ny VOCOTA “Voromaherin’ny Commune Antananarivo-Renivohitra”

 

 

 

eo amin’ny taranja ady totohondry rehefa somary natoritory an-taonany maro. Rasolonirina Benjamin no lany ho filoha vaovao an’ity ekipa ity ary Andrianjanaka Elie no Sekretera jeneraly. Mpikambana valo no mandrafitra ny birao mitantana azy. Andriamanampisoa Gégé Bosco kosa no filoham-boninahitra. Voromangan’Antananarivo no anarana niantsoana ny Vocota tany amin’ny taona 1970 namoronanay sy Rapapa sry Zozo azy, hoy Ratavilahy François mpanazatra izay nanotrona manokana an’ity hetsika ity. Lalao niisa 21 no nentina nanamarika an’izany fanokafana indray ny Vocota izany. Tonga namaly ny fanasan’izy ireo teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina sady nanolotra ny amboara ho an’ny mpandresy tamin’ny “Match de défi” faharoa nihaonan’i Haja Herititiana (Vocota) sy Robin dit Mparany (Uasc) izay nahitana ny fandresen’ity farany, ny prezidà Marc Ravalomanana. Tena tia sy mankafy ny taranja ady totohondry ny tenako, hoy i Dada Ravalomanana ka vonona ny hanampy ny taranja ady totohondry amin’ny ankapobeny sy ny ekipan’ny Vocota manokana izay iadidian’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana vadiko. Hampiantsika ihany koa ny taranjam-panatanjahantena rehetra, hoy izy. Ny amboara “Match de défi” iray natolotra tamin’ity fifaninanana ity dia norombahin’i Josephe (Vocota) sokajy jeune 51 kg nanoloana an’i Claude Olivier (Lba). Samy notolorana medaly avy kosa ireo mpandresy tamin’ireo lalao 19 hafa natrehana tamin’io omaly io.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT