Sport

Adina ara-panatanjahantena bakalorea Am-polony ireo tovovavy hita fa bevohoka tany Atsimo Andrefana


  • Alarobia 07 Jona 2023

Fotoana hahatrarana ny tovovavy iray mitoe-jaza ny fanaovany fanetseham-batana mafy loatra toy ny fanaovana fanatanjahantena.

Tsy misy hafa amin’izany ny zava-nitranga tany amin’iny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy iny. Tovovavy am-polony niatrika ny adina ara-panatanjahantena Bakalorea no fantatra fa bevohoka. Nanomboka ny 30 may ka hatramin’ny 03 Jona lasa teo no nanaovana izany adina ara-panatanjahantena izany. Saika isan’andro dia nahita tovovavy mpiadina mitondra vohoka hatrany ny tompon’andraikitra hoy ny vaovao ka misy efa nahatratra efa-bolana mihitsy ny an’ny sasany raha vao manomboka manana kosa ny sasany. Misy amin’ireo mpiadina ireo anefa no vao 14 na 15 taona monja raha efa misy mahatratra 20 taona kosa ny sasany. Najanona tsy afaka nanohy ny adina ara-panatanjahantena tokony nataony moa izy ireo raha vantany vao fantatra izany. Mbola andrasana kosa na raha azo ekena na tsia ny fahafahany mandray anjara amin’ny adina ara-panatanjahantena am-bava na ny teoria. Mampiavaka ny faritra Atsimon’ny Nosy ny firosoan’ireo ankizy tanora aloha loatra amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo, antony mampisy izao tranga izao ihany koa.
Pati
Legende : Nahitana tovovavy bevohoka maro ireo niatrika ny adina ara-panatanjahantena Bakalorea tany Toliara
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT