Sport

ABQ rugby Nitohy ny fankalazana ny faha-15 taona


  • Alakamisy 28 Martsa 2019

Taorian’ny fotoam-panokafana notontosaina teny amin’ny Chapelle Info Centre de la Salle teny Soavimbahoaka ny sabotsy 23 martsa 2019 teo dia notohizana

 

 

tamin’ny fiarahan’ireo mpikambana nisakafo niaraka tamin’ny raiamandreny Ange Andrianarisoa teny amin’ny tranompokonolona fokontany  Akorondrano Atsinanana Boriborintany faha-3 omaly alarobia 27 martsa 2019  ny fankalazan’ny fikambanana mpanao rugby ABQ “Association du Bas Quartier”. Nitarika azy ireo ny filohany, Razafiarison François Xavier “Fafah”, izay nanolotra fisaorana feno an’ity raiamandreny ity tsy nitsahatra nanampy an-dry zareo nandritra izay 15 taona niorenany izay teo ambany fitarihan’ny Amiraly Didier Ratsiraka.  Nanamafy izay efa nambarany teny Soavimbahoaka tamin’ny sabotsy,  ny raiamandreny  Ange Andrianarisoa nandritra  ity sakafo mitam-pihavanana ity, tamin’ny filazana fa  mendrika  ny hotohanana hatrany ny fikambanana mitaiza tanora tahaka ny ABQ amin’ireo asa rehetra sahaniny, indrindra ny fanentanana  eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena dia ny fiangaliana rugby manokana.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT