Sport

Abel Anicet Mety hilalao any Israely


  • Alatsinainy 09 Aogositra 2021

Fanaraha-maso hatreto no tena heno fa ataon’ireo klioba vahiny liana amin’ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, Abel Anicet, taorian’ny fahataperan’ny fifanarahany tamin’ny klioba bolgara,

 PFK Ludogorets Razgrad, izay tompondakan’ny Bolgaria hatrany tao anatin’izay 7 taona nilalaovany tao izay. Isan’ny efa voaresaka ho liana amin’ity avokavoka mpiaro ny Barea ity moa ny klioba divizionina voalohany anglisy, Leicester city, sy ny divizionina voalohany tiorka, Galatasaray. Fantatra ihany koa ankehitriny fa manara-maso akaiky ny filalaony ny klioba divizionina voalohany milalao ao amin’ny fifaninanam-pirenena israelianina Ligat Hael, Hapoël Beer-Sheva. 72 taona ankehitriny ity klioba ity ary nanomboka ny taona 2015 izy no nanana ny kianja azy manokana dia ny kianja Turner, izay mahazaka mpijery miisa 16.126. Araka ny fampitam-baovao voaray moa dia mitady izay hanamafisana ny fanafihany ity klioba voalaza teo ity ho an’ny taom-pilalaovana manaraka eo. Tsiahivina fa ankoatry ny maha kapitenin’ny Barea an’i Anicet hatreto dia izy no lohalaharana amin’ireo mpilalao Malagasy be karama indrindra teo amin’ny tantaran’ny ekipam-pirenena raha toa ka nandray 105.000 Euro isam-bolana, raha ny fampahatsiahivana nanomboka ny jona 2020 teo tao amin’ny klioba nilalaovany farany teo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT