Sport

Abel Anicet Handao ny PFC Ludogorets 7 taona aty aoriana


  • Alarobia 21 Jolay 2021

Nanambara ny handaozany Klioba Bulgare PFC Ludogorets Razgrad i Abel Anicet Andrianantenaina kapitenin’ny Barean’i Madagasikara.

 Tsy mbola fantatra kosa tamin’ny ora nanoratanay ny klioba vaovao hilalaovan’ity mpilalao Malagasy ity, saingy voalaza fa nahita tsara kokoa sy te hametraka fanamby vaovao i Anicet. Ny taona 2014 I Anicet no nanomboka nilalao tao amin’ny Ludogoretsy, ary ary nanao veloma tamin’ny alalan’ny hafatra tamin’ny tambajotran-tserasera izy omaly talata 20 jolay 2021 taorian’ny 7 taona nilalaovany tao amin’ity klioba tompondakan’i Bulgarie ity. 31 taona I Anicet amin’izao fotoana izao, ary raha ny tantarany fohifohy teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra dia ny Ajesaia no namolavola azy ary nilalao tao ny 2002-2004, nalain’ny AJ Auxerre tany Frantsa (2004-2009), AJ Auxerre B (2009-2011) tao anatin’ny sokajy mpilalao tanora. Niditra teo amin’ny sehatra matihanina nilalao tany Bulgarie, ka tao amin’ny Chernomorets Bouras ny 2011-2012, CSKA Sofia (2012-2013), Botev Plovdiv (2013-2014), ary Ludogorets ny 2014-2021. Naneho i Anicet, fa mamy ny fiarahana, maro ny zavatra niaraha-nanao sy nanamarika azy tao amin’ny klioba ary nahitany zavatra maro: im-pito nibata ny amboara maha tompondakan’i Bulgarie hatramin’ny naha tao an’i Abel Anicet, nandray anjara tamin’ny Europa League, Champions League,… Naneho fisaorana mitafotafo ho an’ny klioba izy, nisaotra sy nankasitraka ny mpitantana, ny mpanazatra, ny mpiara-milalao aminy, ny mpankafy,... Naneho fa efa ankohonany faharoa ny PFC Ludogorets, ary malahelo ny fiarahana i Anicet, saingy tsy maintsy hiatrika ny fanamby vaovao ihany koa. Efa amam-bolana maromaro moa izay ny tenany no tsy tao anaty lisitry ny mpilalaon’i Ludogorets tamina lalao samihafa, ary izao handao ny klioba izao. Nirary soa hatrany ho an’ity kliobany i Abel AnicetMirary soa an’I Anicet eo anatrehan’ny fanamby vaovaony any amin’ny klioba vaovao izay hilalaovany. Tsiahivina fa i Anicet no namono baolina voalohany ho an’ny Malagasy tamin’ny CAN 2019.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT