Sport

Abel Anicet any Egypta Mbola mpilalao mpisolo toerana aloha hatreto


  • Alatsinainy 29 Novambra 2021

Tao anatin’ireo lalao miisa 6 efa tontosan’ny ekipa vaovao misy azy dia ilay ekipa vao tafiakatra divizionina voalohany ao Egypta na ny Futur FC,

 dia mbola tsy nety tafiditra tao anatin’ireo 11 mijoro voalohany mihitsy hatreto ny kapitenin’ny ekipam-pirenena Malagasy teo aloha, Abel Anicet. In-telo ihany izy hatreto no tafiditra tanaty lisitry ny lalao na “feuille de match” ary amin’ny maha mpisolo toerana hatrany. In-2 ihany koa no niditra nilalao dia ny 25 oktobra teo raha nifanandrina tamin'ny Pharco FC, izay nidirany teo amin'ny faha 81 minitra sy ny 30 oktobra izay nifanandrinana tamin'ny Al-Ittihad Alexandria, izay nidirany teo amin'ny 57 minitra. Raha neritreretina ho tompon-toerana feno ity mpilalao heverina ho efa voky traikefa ity satria dia sady efa nilalao tany Eoropa no efa tanatin’ny ekipa tompondakan’ny fifaninanam-pirenena bolgara nandritry ny 10 taona nisesy ary efa nandray anjara tamin’ireo tompondaka goavana indrindra ao Eoropa ihany koa, dia ny “Champions league” sy “Europa League”, dia hita ho mbola sahirana mandresy lahatra ity ekipa vao misondrotra ao anatin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina voalohany egyptianina ity hatreto ny lehilahy. 31 taona moa izao ity avokavoky ny Barea teo aloha ity ary hirariana ny ahitany ny mahasoa indrindra hatrany na eo aza izany rehetra izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT