Sport

Abel Anicet Andrianantenaina Vonona hanatevin-ddaharana indray ny Barea


  • Sabotsy 22 Desambra 2018

Mandalo eto an-tanindrazana ankehitriny i Abel Anicet Andrianantenaina ilay irakiraka Malagasy milalao ao amin’ny Pfc Ludogorets Razgrad (Bulgarie) sady irakiraky ny Barean’i Madagasikara ihany koa.

 

 

 Nambarany fa tsy nahatafita ny taom-pilalaovana 2017/2018 hatramin’ny farany tao amin’ity ekipa hilalaovany ity izy fa tany amin’ny 6 aprily 2018 ny lao farany niakarany kianja noho ny ratra nahazo ny lohaliny havia ka voatery nandidiana azy tamin’ny volana mey 2018 ary nitondrany “Platre” nandritra ny 7 volana. Efa ho 3 herinandro izy izao no niverina niaraka nanao fanazaran-tena ao amin’ny ekipa hilalaovany  na dia tsy mifampikasoka mafy loatra amin’ny namany aza. Raha tahin’Andriamanitra, hoy izy, dia any amin’ny volana janoary 2019 any no tena hiverina tsara ny fahasalamako ary vonona tsara aho ny hiverina hanatevin-daharana ny Barea indray hanomboka amin’ny fihaonany amin’i Sénégal .

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT