Sport

9e Rallye Total Voatazon’i Boom sy Berthin ny anaram-boninahitra


  • Alatsinainy 18 Mey 2015

Araka ny efa nampoizina dia ny adin’ny ekipazy Boom-Berthin nitondra Mitsubishi Evolution X sy Mathieu-Tsiresy nanamory Mitsubishi Evo-IX no tena nanamarika ny Rallye Total andiany fah-9 sady dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara.

 Nisongadina tamin’ny ankapobeny i Boom ary voatazony rahateo ny anaram-boninahitra satria ity ekipazy ity no efa nahazo ny Rallye Total andiany teo aloha. 1.54.47 no fotoana nahavitan’izy ireo ireo sedra manokana 11 nirefy 124,60km tao anatin’ny telo andro ary ry Boom no nahavita ny fotoana tsara indrindra tamina sedra manokana fito be izao.  

“Tsy mora ny fifaninanana, be ny olana satria vao nanomboka tamin’ny slalom izahay dia efa diso lasa nihoatra ny fihodinana nataonay. Ny sabotsy hariva indray tapaka transmission, ka anio (alahady) vao tena nanafika”, hoy i Boom teny am-pahatongavana. Tafiditra lah-2 kosa i Mathieu izay tara 1’18” taorian’i Boom. Sedra manokana roa kosa no nahavitan’ny Zaza maditra fotoana tsara indrindra. “Somary nijaly izahay fa ny fahatongavana no tena nokendrena. Somary nisy olana ny fiara satria nalefaka be ny suspension ary nentina tamin’iny fotsiny aloha” hoy kosa i Mathieu. Nanamarika ity Rallye ity koa ny fiakaran’ny sokajin’ny fiara tsy mataho-dalana T2 izay lah-3 sy fah-4 ary tena niady be tokoa hany mpandray anjara roa amin’io sokajy io satria iray segaondra monja no elanelan’ny fotoana vitan’izy ireo. Tafiditra lah-3 ankapobeny moa i Fred sy Yachine nitondra Isuzu D Max ary fah-4 i Haja sy Carol nanamory Great Wall. Fiara 23 tamin’ireo 36 nandray fiaingana moa no tody hatramin’ny farany. Ny 19-21 jona indray ny dingana fah-2 amin’ny fifaninanana nasionaly izay hokarakarain’ny ASACM any Antsirabe.

Rasanda Serge

Filaharana :

1-Solofonirina Mamy Patrick-Randriamihaingo Berthin (Mitsubishi Evo X) 1.54.47

2-Andrianjafy Mathieu-Ramiarijaona Tsiresy (Mitsubishi Evo IX) +0.01.18

3-Rakotomanga Frederic-Adam Yachine (Isuzu D Max) +0.09.41

4-Danielson Haja-Raolily Carol (Great Wall Wingles) +0.09.42

5-Rakotomiarana Tiana-Rakotomiarana Tsiory (Subaru) +0.11.08

6-Rajemison Ndrianja-Ramiakatsoavina Fanja (Subaru) +0.11.14

7-Rabetafika Daniel-Rakotozafy Herizo (Nissan) +0.12.30

8-Rakotojohary Tovohery-Razafinarivo Nirina (Clio 16s) +0.13.09

9-Randrianarivony Rivo Aina-Randrianarivony Ando (Subaru) +0.13.16

10-Raymond Patrick-Andrianizahana Finoana (Subaru) +0.14.00

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT