Sport

9e Rallye Total Hitondra ny anaran’ny mpanohana ny ekipazy Mathieu-Laurent sy Rivo-Ando


  • Alakamisy 23 Aprily 2015

Hoferana ho ekipazy 45 no hiatrika ny Rallye Total andiany fah-9, izay Rallye fah-15 karakarain’ny FMMSAM ary mifanojo amin’ny fah-15 taonan’ny Total. Io ihany koa no dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara. Ny 15-17 mey no hanaovana ny fifaninanana izay misy sedra manokana 11 mirefy 124,60km ka 324,49km kosa miampy ireo fampitohizan-dalana.


“Niniana nahena mihitsy ny halavirana noho ny tsy fahazoana ireo lalana sasany vokatry ny orana nisesy teo aloha teo ireny sady maro be rahateo koa ny rallye voalahatra amin’ity taompilalaovana ity” araka ny fanamarihan’ny talen’ny fifaninanana, Solofonirina Sandy.

Hanokatra avy hatrany ny fifaninanana ny sedra manokana miendrika fampisehoana ny zoma hariva amin’ny 8:16 eny Andohatapenaka. Sedra manokana 6 kosa no voalahatra ny sabotsy izay hofaranana amin’ny “super spécial” amin’ny 4:07 tolakandro. Ho an’ny alahady dia hisy sedra manokana 4 izay hofarana hatrany amin’ny “super spécial” amin’ny 1:12. Tsy mbola hampahafatarina mihitsy kosa ireo sedra manokana holalovana mba hisorohana ireo mpangala-dia mialoha amin’ny fitsapan-dalana araka ny fitsipi-dalao vaovaon’ny federasiona. Ny 30 aprily mandritra ny fivoriana ara-teknika mihitsy izy io vao hivoaka ofisialy. Hampiavaka ity Rallye ity koa ny “repêchage” izay ahafahan’ireo efa niala an-daharana miverina mifaninana fa misy sazy ara-potoana kosa mifanaraka amin’izany. Ekipazy hitondra ny anaran’ny Total amin’ity andiany fah-9 ity moa i Mathieu-Laurent izay hanamory Mitsibishi Evo 9 sy Rivo-Ando izay hitondra Subaru Impreza. Tsiahivina fa tompondaka tamin’ny andiany farany i Boom sy Berthin nitondra Mitsubishi Evo X.

Rasanda Serge


 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT