Sport

9e Rallye Total Ekipazy 36 no handray fiaingana


  • Alarobia 13 Mey 2015

Fotoan-dehibe ho an’ireo mpankafy ny fanatanjahantena mekanika ny “Rallye Total” andiany faha-9 hatao ny faran’ny herinandro izao izay hampitorajofo ny renivohitra sy ny manodidina. Nifarana ny alatsinainy hariva teo ny fisoratana anarana ho an’izany izay dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ihany koa ka karakarain’ny klioba FMMSAM. Ekipazy

 36 no nisoratra anarana hatreo amin’io fe-potoana farany io. Isan’ireo ngezalahy tazana handray fiaingana amin’io ny ekipazy Boom-Berthin mitondra Mitsubishi Evo-X izay tompon’ny anaramboninahitra farany sy ry Mathieu-Laurent manamory Mitsubishi Evo-IX izay isan’ny mpifanandrina hiady mafy amin’io fifaninanana io. Ny zoma sy sabotsy ary alahady izao moa no hizoran’ny fifaninanana ka sedra manokana 11 mirefy 124,60km no miandry ireo mpifaninanana ary mahatratra 324,49km ny fitambaran’ny lalana rehetra rehefa miampy ireo fampitohizandalana. Ny “Super special de Nuit” etsy Andohatapenaka avy hatrany no hanokatra ny fifaninanana ny zoma 15 mey hanomboka amin’ny 8:06 hariva ary ny sedra manokana eny Andohatapenaka rahateo ny hanakatona hatrany ireo andro telon’ny fifaninanana. Andrasan’ny maro mafy tokoa moa io fiverena’i Zaza Maditra io ary manantena ady mafana ny mpitia ity taranja ity.

Rasanda Serge

Ny ekipazy Mathieu-Laurent tamin’ny fotoan’androny

Ireo sedra manokana:
Zoma 15 mey:
8:06 hariva (ES1) Andohatapenaka 1 (2km)
Sabotsy 16 mey:
9:12 (ES2) Tsaravinany 1 (19km)
10:15 (ES3) Ambohidraondriana 1 (7km)
11:01 (ES4) Antsahamaina (9km)
1:13 (ES5) X Anjeva Antelomita (8,60km)
1:40 (ES6) Anorohoro (29km)
4:00 (ES7) Andohatapenaka 2 (2km)
Alahady 17 mey:
8:42 (ES8) Tsaravinany 2 (19km)
10:15 (ES9) Soamanety (20km)
11:19 (ES10) Ambohidraondriana 2 (7km)
1:05 (ES11) Andohatapenaka 3 (2km)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT