Sport

8 martsa any Moramanga Alaotra Mangoro Vola an-tapitrisany no ho lanian’ny DG-n’ny orinasa Fanalamanga


  • Alakamisy 08 Martsa 2018

Hanarina ny fahavoazana niseho tamin’ny fikarakarana ny 8 martsa tamin’ny taon-dasa 2017 noho ny nafitsoky ny rivodoza Enawo namely mafy tamin’izany andro izany ry zareo ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro ka hamerina ny fikarakarana ny hetsika ao Moramanga anio 8 martsa 2018.

Vehivavy an’arivony mahery avy amin’ny distrika 5 mandrafitra an’Alaotra Mangoro no handrasana ao amin’ity tanàna ity. Ny talata 6 martsa teo fotsiny dia fantatra fa fiara “Sprinter” niisa 10 no efa feno andriambavilanitra tonga tao Moramanga. Maro koa no tonga omaly alarobia ary tsy ferana ny mbola ho avy anio alakamisy 8 martsa. Toy ny mahazatra dia ny lehilahy HVM tarihan’ny tale jeneralin’ny Fanalamanga sy ny lefitra faha-3 an’ny ben’ny tanànan’ity toerana ity no handray an-tanana ny hetsika. Mbola  nampanontany tena ny maro ankehitriny ny dia nataon’ity DG-n’ny Fanalamanga ity vao tsy ela akory izay niaraka tamin’ny mpiasa tsotra 2 sy mpandraharaha iray hafa ka inoana fa mba hahazoana fanazavana avy amin’ity tompon’andraikitra ity ny amin’izay !

 

Rabri


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT