Sport

5 volana sisa Manalasala ny fandraisana ny lalaon’ny nosy


  • Zoma 17 Martsa 2023

5 volana sisa tsy ahatongavan’ny volana aogositra, fotoana tokony handraisana ny Lalaon’ny nosy ho an’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe indianina na “Jeux des iles de l’océan indien” eto Madagasikara.

Manalasala hatreto ny fandraisana izany. Hisy ihany ve ity lalaon’ny nosy ity sa tsy hisy? Aiza ho aiza ny fanomanana? Ny mikasika ireo fotodrafitrasa? Nanazava ny teo anivon’ny federasionin’ny taranja hazakazaka na atletisma ny alarobia teo fa raha ity taranja ity aloha izany dia manana ny kianjan’Alarobia sy Mahamasina handraisana ireo lalao. Handeha afaka 9 andro ny fiadiana ny tompondaka eo amin’ny taranja Semi-marathon, izay hifantenana ireo solontena malagasy ihany koa, izany hoe anaty fotoana fohy dia fohy. Ny avy eo anivon’ny taranja ady totohondry koa dia velon-taraina omaly fa tsy misitraka famatsiam-bola na ny Ariary aza ary tsy misitraka famatsiana ara-pitaovana ihany koa avy amin’ny fitondram-panjakana. Ny ringa, hany mba manaraka ny fenitra iraisampirenena eo amin’ny lafiny velarana aza, mianjera ho azy, tsy ahavitana fiodinana in-droa akory. Ny taranja lay na “voile” moa dia mbola tsy manana fotodrafitrasa mihitsy hatreto mandra-pahavitan’ny fotodrafitrasa an-dalam-panamboarana ao Nosy Boraha na Sainte Marie. Santionan’ny zava-misy ireo raha ny angom-baovao sy fanadihadiana natao hatreto fa dia miandry ny fanazavana aloha izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT