3x3 Women’s Series Baku Stop 2025

Nandresy any Roumanie, avy eo resin’i Italie ny Ankoay


  • Talata 27 Mey 2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

3X3 Women’s Series Baku Stop 2025 » karakarain’ny FIBA tanterahina any Baku Azerbaïdjan nanomboka omaly 26 mey hatramin’ny anio ny Ankoay vehivavy ho an’ny basikety lalaovin’olona telo. Nandresy tamin’ny elanelan’isa iray monja 21-20 nanoloana an’i Roumanie isika Malagasy, raha toa ka resin’i Italie tamin’ny isa 21 noho 15 kosa tamin’ny lalao faharoa. Harisoa Muriel Hajanirina, Minaoharisoa Christiane Jaofera, Rondro Emeranchine Raherimanana, ary Sarobidy Randriantahiana no mandrafitra ny ekipam-pirenena. Araka ny tatitra nataon’ny Federasiona Malagasin’ny Basket-Ball, mbola handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena « 3x3 » roa hafa ny ekipam-pirenena malagasy aorian’ity fihaonana any Azerbaïdjan ity. Voafaritra sahady fa ny iray amin’ireo dia hatao any Vienne Aotrisy, ny 12 ka hatramin’ny 14 jona, raha mbola andrasana kosa ny antsipiriany amin’ny iray hafa. Marihiny fa noho ny maha-tompondakan’i Afrika azy eo amin’ny taranja 3x3, dia isan’ireo nahazo fanohanana avy amin’ny fandaharan’asa manokana napetraky ny FIBA ho an’ireo atleta vehivavy amin’ny 3x3 i Christiane Jaofera sy ny namany, mba hanamafisana bebe kokoa ny fandraisan’anjara sy ny fivoaran’ny basket vehivavy eto Madagasikara. Efa niatrika ny Champions Cup Basket 3x3 tany Thailande ny ekipam-pirenena Malagasy ny volana martsa lasa teo, ary hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany any Mongolie amin’ity taona ity.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT